« Retour au blog de zaramalala

Antenaina

Antenaina
Apetrako eo an-tananao
Ary ombay ny hatsarànao
Andriamanitra o mba tahio,
Sombinaiko io

Zaho mba toroy sy ampahalalao,
Hahay hitondra ilay nomenao,
Ampio hahay hitarika io
Sombinaiko io.

Na ho maro eny, ny mafy holalovany,
Ampy ho ahy ny teny fa ianao momba ny diany

Ny tena iangaviako anao
Ho eo ambany tantananao
Omeo fo sy saina madio
Sombinaiko io.

Ka raha sanatria mandao
Minia miala ny lalanao
Andriamanitra o ahitsio
Sombinaiko io.

Fa tsy misy tsara toa ny manana anao
Fa manana anjara amin'ny fiarovanao

Ny tena iangaviako anao...
[ Ajouter un commentaire ] [ Aucun commentaire ]

# Posté le lundi 22 juin 2009 09:40

« Article précédent : Antenaina

Article suivant : Mon fils, mon sang, ma vie, il fait partie de moi »